Taratasy Voalohan'i Md. Joany
Toko faha-2
3 Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala azy isika, dia raha mitandrina ny didiny isika.4 Izay milaza ho mahalala azy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary tsy ao anatiny ny marina. 5 Fa izay mitandrina ny didiny no manana ny fitiavana an'Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa ; ary amin'izany no ahafantarana fa ao aminy isika. 6 Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy ny nandehanany koa. 7 Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela izay efa azonareo hatramin'ny voalohany; ary izany didy ela izany dia ilay teny efa renareo teo.
8 Didy vaovao ihany koa anefa no soratako aminareo, izay hita marina amin'ny Kristy sy aminareo, fa efa misava ny aizina, ary miposaka sahady ny fahazavana marina. 9 Izay milaza azy ho ao amin'ny fahazavana, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin'ny aizina ihany. 10 Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin'ny mazava, ka tsy misy fanafintohinana ao aminy. 11 Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao anatin'ny aizina sy mandeha amin'ny maizina, ka tsy mahalala izay halehany, fa voajamban'ny aizina ny masony.
